Tarte aux pommes

664

TSINDRI-TASAKAFO : TARTE AUX POMMES SUR CREME PATISSIERE nahandron'i Haingo Hemoandria 

ZAVATRA ILAINA
-crème patissière 
-1 "pâte feuilletée" (novidiako vita fa tsy dia nanana fotoana betsaka nikarakaràna)
- paoma 4
- "nappage pour tarte" (50 g siramamy vovony, rano 2.5 cl , 1 "feuille de gélatine alimentaire", 1/2 bol rano mangatsika)

FIKARAKARANA
Avelatra anaty moule ny fond de tarte dia tsindrotsindromina kely amin'ny "fourchette".
Araraka ny "crème patissière"
Alahatra ny paoma voatetika manify rehefa avy nalàna taolany.
Atsofoka lafaoro antsasankadiny (200°C)
Alona anaty rano ny "feuille de gélatine" (10 mn eo ho eo), dia tsihifina sy fihazana amin'ny tanana hiala tsara ny rano. Levonina anaty vilany kely misy rano ny siramamy dia atao ambony afo malefaka kely tsy avela hangotraka sady haroina foana. Alefa ao amin'ilay ranon-tsiramamy eo ambony afo malefaka io ilay ny "gélatine" efa malefaka dia afangaro tsara. Vonoina ny afo. Avela somary hangatsitsiaka kely dia hosorana an'iny ny tarte efa masaka mba hangirangirana tsara.

CREME PATISSIERE - nahandron'i Haingo Ravaka Rahaingoharimbolatsoa

zavatra ilaina : 
ronono 1L 
siramamy 200g 
"poudre patissière" na "maizena" na lafarina 100g 
lavanila tahony 1 
atody 3 na tamenany 6

fikarakarana azy :
-ampagotrahana ny ronono 
-kapohana ny atody sy siramamy 
-arotsaka ao anaty atody sy siramamy voakapoka ny "poudre crème pâtissière" 
-sarahana manaraka ny halavany ny lavanila dia atao anaty ronono 
-rehefa mangotraka tsara ny ronono dia andrarahana ao amin'ilay fangaron'ilay poudre pâtissière, aroina tsara hifangaro tsy asiana mitambaingana,
- vita io dia arotsaka ao anaty ronono ambiny ireo fangaro teo ambony, aroina foana mandra- pisian'ny fotsifotsy ery ambany vilany(fond) dia vita

Mazotoa o