Telozoro

937

TSAKITSAKY : TELOZORO - SAMBOSA - SAMBOS

ZAVATRA ILAINA :

Totokena ,
Tongolo be,
Sakamalao ,
Ovy ,
Atody Akoho ,
Carry ,
Paty vidiana vita (eto sinoa)

FIKARAKARANA AZY:

Sesika : Andrahoina ny totonkena tsy asiana rano, aroina mba tsy iraikitra ,ary rehefa nahazo loko dia esorina teo ambony afo tsihifina @ passoire avela hitsika ary rehefa mangatsika dia atao ao anaty tsatokaty..
Andrahoina aman-kodiny ny ovy ary tsy atao masaka loatra..andrasana angatsika dia tetehina efa-joro madinika.
Tetehina majinika koa ny tongolo be
Tetehina koa ny sakamalao
Afangaro ny tongolo, sakamalao, carry, sira ary ny ovy 
Kapohina ny atody ary endasina ary dia tetehina madinika rehefa mangatsiaka.
Afangaroy ny totokena, atody, ovy sy ny rehetra naharo azy..
Paty nozaraina efatra ary no navalona indroa amin'izay mikarepoka tsara rehefa mendy..
Rehefa manendy telozoro dia tsy atao afo.mahery fa kosa andrasana hafana ny menaka vao manomboka manendy..
Avy eo tsihifina tsara hiala ny menaka vao aroso..

Mazotoa o

Nahandron'i Mary Lou Ranaivoarisoa

Catégorie: