Terrine de courgettes

76

 Terrine de courgettes , coeur de chèvre
Boudin de chèvre

• 1 fromage de chèvre 
• 1 cuillère à soupe d'huile d'olive 
• Poivre
Afangaro fromage + huile d’olive + poivre dia volavolaina hanana endrika lavalava arakaraka ny halavan’ny moule ampiasaina, ampidirina congelateur mandritra ny 1h ho mafy. 
 

Zavatra ilaina 
• Courgettes 1kg
• Atody 3
• Creme fraiche 20 cl
• Persil, oignon 1, tongolo gasy, sakamalaho
• Poivron rouge 3
• Beurre 20g
• Sel, Poivre

Fikarakarana azy

Diovina ny courgette avy dia kikisana (tsy voasana) atao anaty passoir ary avy dia asiana sira, avela hilona 30mn.
Afanaina ny beurre, atao afo malefaka, arotsaka ny oignon voatetika madinika, tongolo gasy voatoto, sakamalaho voakiky, arotsaka ilay courgette rehefa mivadika tanteram-pahazavana ny oignon, afaka 2mn dia bataina hiala eo ambony afo, arotsaka ny poivron sy ny persil samy efa voatetika madinika.
Kapohina mitokana ny atody miaraka amin'ny crème fraiche, sira ary poivre. Arotsaka ao anatin’ilay fangarona courgette avy eo.
Arotsaka ao anaty moule cake efa voahomana ny atsasaka fangaro, apetraka ilay boudin de chevre (ilay natsofoka tao anaty congelateur), arotsaka indray ilay sisa tamin’ilay fangaro
Andrahoina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha amin’ny hafanana 200° mandritraa ny 1h15
Tsatohana amin’ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita, rehefa mangatsiaka dia ampidirina frigo
Azo hanina mafana na mangatsiaka fa ny ahy aloha teto hohanina mangatsiaka ary ampiarahana amin’ny salade carotte nasiana sauce citron.
Mazotoa homana e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: