Terrine printanière au jambon

290

 

TERRINE PRINTANIERE AU JAMBON

Zavatra ilaina hoan'olona 8:

karoty 3, ovy 4, courgette 3, concombre 1, atody 4, creme fraiche 1/4l, fromage voakiky 100g, jambon 200g, sira, menaka hoan'ny lasitra

Fikarakarana:

--- Rehefa avy nampangotrahina ny karoty, courgette, ovy dia notetehina madinika, dia notetehina toy izany koa ny concombre
--- Nokapohina ny atody, nafangaro tao ny creme avy eo, rehefa nifangaro tsara dia nararaka ny fromage, ny sira ary carry kely, narotsaka tao anatin'ny fangaron'atody nokapohina avy eo ireo legioma.
--- Nasiana menaka ny lasitra, dia nasiana taratasy avy eo, nalahatra manaraka ny faladiany sy ny vatan'ny lasitra ny jambon (jereo ny sary), narotsaka ilay fangaro avy eo
--- Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha amin'ny hafanana 180° mandritra ny 40mn
--- Avy dia alana anaty lasitra rehefa vita, andrasana hangatsiaka vao tetehina
Mazotoa daholo e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: