Tilapia sy karaoty

Portrait de Angie
745

LAOKA : TILAPIA NOLAFIHANA KARAOTY

Zavatra ilaina :

tilapia 2
karaoty 1 toko
tongolo 2 (échalotes) 
tongolo gasy (tsy voatery)
sira, menaka
rano 1 kaopy ( 150ml na 200ml eo)
menaka 200ml eo.

Fikarakarana azy :

- voasana sy tongolo sy tongolo gasy
- voasana sy fisahana ary tapahana vaventy ny karaoty
- tapahana amin'ny habeny tianao ny tilapia
- alefa anaty vilany ny karaoty, avy eo ny tongolo sy tongolo gasy, avy eo alahatra eo amboniny ny tilapia, siraina, asiana rano 1 kaopy ary ketrehana amin'ny afo maherihery.
- jerijerena ka rehefa akaiky ho ritra dia ampiana menaka ary avela hiketrika kely mandra-pahatongany amin'ny ilanao azy.

Fanamarihana :

- Tsy avadika, tsy aroina mihitsy ny nahandro mandritr'izay fotoana izay.
- ny ahalalana fa masaka ny trondro dia mipotsaka ny voamasony
- azo soloina hafa ny legioma lafika (sosety, korzety, anana, ...)

Mazotoa o !
Nahandron' Vero Randriam

 

Catégorie: