Tiramisu au fruit rouge

Portrait de Angie
743

TSINDRIN - TSAKAFO : TIRAMISU AU FRUIT ROUGE –
 (Ho an'olona 15)

Zavatra ilaina :

Siramamy 200g
« mascarpone » 50cl
atody 4
« crème liquide entière 50cl
« fruit rouge » 400g
« biscuit à la cuillère »
« sucre glace » kely

Fikarakarana azy :

- atao anaty vata fampangatsiahana 2 na 3ora mialoha ny bol iray sy ny lakirema
- alaina ny « fruit rouge » sy siramamy 100g, « mixer »- na ireo ho potika dia alefa anaty vata fampangatsiahana
- Alaina ny atody 4, sarahina ny tapotsiny sy ny tamenany, avy eo alaina ny tamenany afangaro amin'ilay siramamy 100g ambiny, « mixer »- na koa ireo atao lasa fotsy , afangaro amin' ilay 'mascarpone', afangaro tsara amin'ny sotro be hazo mandrapa-hatongany tsy misy vongany intsony, ampidirina vata fampangatsiahana.
- alaina ny bol sy ny lakirema, asiana sucre glace dia kapohana ho lasa chantilly
- afangaro ny « chantilly » sy ny « mascarpone », afangaro moramora toy ny fiodin'ny famataranandro

Fanaingoana ny « verrine »

- alaina ilay voankazo efa « mixé », atsoboka ao ny bisky dia alefa amin'ny fanambanin'ny « verrine »
- alefa eo amboniny ny fangaro chantilly mascarpone
- alahatra indray ny bisky
- avy eo ny chantilly mascarpone ary eo amin'ny tapony ny voankazo « mixé »

Mazotoa o

Nahandron'i Fenitra Jeandot

Catégorie: