Torta salata

974

SAKAFO FENO : TORTA SALATA – GATEAU SALE’ – MOFO VOASESIKA: SAKAFO VEGETARIEN
 

Rehefa Paka dia fihinanay ny specialité napolitain “casatiello na tortano” izay efa nozaraina teto fa ho an'ireo tsy mihinan-kena dia manao version végetarien koa izahay ka dia zaraina am-pifaliana

ZAVATRA ILAINA

Ho n’ny mofo
500g lafarina ( ny anay 200 integrale dia 300 lafarina tsotra)

25g lalovay labiera, na 1 fonosana lalovay (lévure Saf Instant),

½  boaty yaourt ny menaka oliva na dibera .

sira kely ,
 dipoavatra

rano matimaty na ronono

atody raha tiana (izahay tsy nanisy )

 Ho an'ny sesika:

Legioma rehetra izay tiana eto:
sakaibe, baranjely, korzety,
"fromage de chevre" na hoe "pecorino" na karazana fromazy no afangaro: parmesan, emmenthal, fondu, sns

sira kely , dipoavatra

( raha tsy végétarien dia azo asiana charcuterie izay tiana ; saucisson, jambon , mortadelle sns)

 

FIKARAKARANA

 

- Levonina anaty rano matimaty ny lalovay
- Atao ambony latabatra ny lafarinina dia lavahana eo ampofovany ary atao ao ny menaka, sira, dipoavatra, lalovay  ary atody raha asiana dia volavolaina ary ampiana rano matimaty raha tsy ampy ilay rano nisy lalovay mandrapahatonga azy rehetra mitambatra tsara ho paty, ka mila kapokapoana sy polipolesina dia avadibadika io paty io mandritria ny 10 mintra eo

- Atao boribory dia fonosina lamba mba tsy hiraikitra amin'ny latabatra dia avela hipetraka eo amin'ny adiny 2 eo amin'ny toerana tsy mangatsiaka. Hitombo ho avo roa heny izy avy eo.

- Karakaraina amin'izay ny fangaro izany hoe tetehina madinika daholo ny fromazy

 - endasina tsirairay ny legioma voatetika efajoro madinika dia asiana izay hanitra tiana sy sira, dipoavatra

- Rehefa nitombo ny pate dia averina kapohina kely izany hoe polipolesina kely indray hiala ny rivotra avy eo rarahana lafarina ny latabatra dia velarina ny paty ka fisahana amin'ny "rouleau" na tavoahangy 1 cm eo ary atao lava.

- Rehefa mivelatra tsara dia araraka eo ambony daholo ny sesika ary atao mahitsy tsara

- Ahorona moramora ny paty atao izay farany maha tery azy nefa tsy rovitra

- maka lasitra ka ny tena fampiasa dia ilay misy goaka eo ampovoany avy eo, ka osorona menaka tsara aloha dia rarahana lafarina dia esorina izay mihoakatra.

- apetraho anaty lasitra amin'izay ilay pate efa navalona toy ny tsihy ka dia ampifandraisina tsara ny lohany roa mba tsy ho tapaka, dia avela hipetraka ora 2 eo indray aloha hitombo ka saromana lamba madio.

Azo atao koa anefa ny mampifangaro ny paty sy ny legioma rehetra izany hoe tsy fonosona fa miaraka daholo dia izay vao atao anaty lasitra, ny bikany fotsiny no samy hafa rehefa masaka fa ny tsiro mitovy ihany

 

FAHANDRO AZY

Hafanaina mialoha matritry ny 15 minitra eo ny lafoaro ka atao 180° rehefa mafana tsara dia ampidirina ny tokony ho 35minitra dia masaka fa miankina amin’ny lafaoro, ny zavatra ao anatiny efa masaka fa ny ivelany ihany no mila jerena hoe masaka dia avoaka. 

Esory ao anaty lasitra rehefa matimaty ary azo hohanina mafana na mangatsiaka

mazotoa ary o

 

Catégorie: