Tratran-kisoa

938

LAOKA : TRATRAN-KISOA (poitrine de porc)

ZAVATRA ILAINA:

tratran-kisoa 3,5kg
divay mena 200ml
laurier
thym
carry, dipoavatra, sira
tantely 2 sotro fihinana
vinaingitra balsamika 1 sotro fihinanana
saosy soja 1/2 vera (100ml)

FIKARAKARANA AZY:

- Ampangotrahana amin'ny ranon-tsira mahadifotra ny tratran-kisoa mibolongana mandritry ny 20 - 25 minitra (mba hampalefaka ny hodi-kisoa).
- Silahana avy eo ny hodiny mba ho tafiditra tsara ny saosy rehefa holomana
- Tsihifina dia lomana amin'ireo fangaro rehetra 1ora farafahakeliny
- Tsihifina indray ny saosy nandomana azy teo (tsy ariana), atao anaty plat ny bolongan-tratran-kisoa dia andrahoina anaty lafaoro 200°C mandritry ny 1ora sy 15minitra (araho maso dia somary ahenao ny afo raha mahery loatra na lava loatra ny fotoana fa eto lasa mendy be)
- Ataingina ambony afo ilay saosy nandomana teo, ampiana "fond de veau" sy maizena 1sotro fihinanana, dia aroina tsy ankijanona mandra-pahateviny.

Fanamarihana :

raha tsy tianao ny hamasahany dia tetehana ary somary averina anaty lafaoro hivolombolamena ny nofony.
Apetraka eo an-dovia ny didin-kena dia rarahana saosy kely :)

Araho an-tsary ny fikarakarana 

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: