Trondro amin'ny voanio

984

LAOKA : TRONDRO AMIN'NY VOANIO - POISSON AU COCO

ZAVATRA ILAINA:
Trondro cabot 3 ngezangeza
Voatabia 1
Tongolo be 2
voatabia amin'ny boaty 1sotro fihinana
Tongolo gasy bolongany 1
Sakamalao .
Rononom- boanio (lait de coco) natao na amin'ny boaty
sira

FIKARAKARANA AZY :
- Atao saosy ny voatabia sy ny tongolo, dia asiana voatabia amin'ny boaty kely
- Arotsaka ny hanitra rehetra, avy eo arotsaka ny trondro notetehana, dia asiana sira sy rano izay mahamasaka azy
- Rehefa akaiky ho ritra, dia arotsaka ny rononom-boanio. Tsy saronanana fa avela hangotraka 5 na 10 minitra dia esorina

Manao "salade verte" nasiana saosy vinaigrette voasary makirana

Dia mazotoa daholo ary o !

nahandron'i Malalatiana Raharison

 

Catégorie: