Trondro nolafihana anana

Portrait de Angie
1044

LAOKA RITRA: TRONDRO NOLAFIHANA ANANA

ZAVATRA ILAINA: araka izay fatra tiana

trondro izay tiana eto tilapia
anana mifangaro
voatabia
tongolo be 
tongolo gasy,
menaka

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara ny akora rehetra ilaina ary tetehana araka izay hitiavana azyny trondro,
Tonga dia alahatra ao anaty vilany ka asiana voatabia sy tongolo ao ambany  aloha avy eo anana , manaraka kosa ny trondro , avy eo tohizana anana indray izay vao faranana amin'ny voatabia sy tongolo ary menaka izay itiavanao azy, Avela hiketrika amin'ny ranontsasany vao ampiana rano kely mahamasaka azy.
Tena mafilotra miaraka amin'ny vary sy lasary voatabia na karoty 

mazotoa ary e

Nahandro sy sarin'i Ylan Razafindramaho - 8 août, 2017

Catégorie: