Trondro pané

1019

TRONDRO "ALICE" ENDASINA

Matsiro be ity malefaka tsara ka mahalany be ny ankizy satria toy ny manao "pané" no hanaovana azy.

ZAVATRA ILAINA:

- trondro "alici" toy ny sardine 
- lafarina 
- menaka fanendasana
-sira
- atody

FIKARAKARANA AZY

- Sasana ny trondro esorina ny tsinainy sy kirany ary ny taolana afovoany ary ny lohany dia hamainina tsara hiala ny rano
- atao mafana ny menaka mandifotra azy, tsy atao afo be loatra, raha tsy manana fijerena maripana sakafo dia azo alaina ny sotrobe hazo ary ampidirina ao anaty menaka raha misy "boule" manodidina dia mafana izy izay,
- Atao amin'ny vilia ny lafarina ka ampandalovina ao aloha ny trondro 
- kapohana ny atody ka ampandalovina ao indray ilay efa misy lafarina
- Endasina atao tsikelikely mba tsy ho mora misy mandroatra ny menaka ary mba tsy hidina loatra ny hafanana, 
- Rehefa masaka dia apetraka amin'ny taratasy na "essuit tout" mba hitsika ny menaka 
- efa masaka vao asiana sira kosa.

Mazotoa o

Catégorie: