Tsatsui

315

Tsatsui
 

zavatra  ilaina:

kibonkisoa 500g, sweet soja sauce 2 sotrobe fandoharana , sira. tantely 3 sotro fihinana , siramamy 2 sotro. 

Fikarakarana azy:

Hafanaina ny lafaoro 175dgs.
Alaina ny hena dia sady sasana , mety daholo na alana ny odiny na tsia,
Afangaro miaraka daholo ny sweet soja sauce, sira araka izay itiavana azy , tantely , siramamy dia hosorana ny hena amin'ny lafiny rehetra, tonga dia atao anaty lafaoro tsy mila temps de pause
Ampidirina ao anaty lafaoro 1h 30 eo , raha lafaoro gasy kosa dia mafana tsara no ilaina .
Mila avadibadika matetika mba itovy daholo ny lokony ary mba idiran'ilay sauce.
Fa raha toa moa ianao manana ilay lafaoro miodina dia voa maika tsara. 

dia mazotoa indray o 
de Prisca Randriharimalala

 

 

Catégorie: 
Matériels: