Varanga sy mangahazo

635

SAKAFO MAHALEO TENA : VARANGA sy MANGAHAZO 

ZAVATRA ILAINA :

vongana nofokena efa masaka
tongologasy
sakamalaho
tongolo be 1
sakaibe 1 (poivron)
menaka kely

FIKARAKARANA AZY:

Vongana nofonkena nandrahoina dia avy eo nosilatsilahina madinika manaraka ny hena fa atao varanga.
Endasina amin'ny menaka kely dia asina tongologasy sy sakamalaho.
Rehefa mendy narotsaka ny tongolo be sy sakaibe efa voatetika madinika. naroharoina vetivety tsy atao masakabe. tsy be menaka mihintsy, tsy misy saosy fa mitsiratsiraka tsara.
Hohanina miaraka amin'ny mangahazo nampangotrahina aloha dia nariana rano dia masahana amin'ny ranokely mba tsy bodakabe azo asiana dipoavatra.

Mazotoa o 

Nahandron'i Bakotiana Anjarasoa

 

Catégorie: