Vary amin'anana sy patsabe

Portrait de Angie
1054

VARY AMIN' ANANA (sy PATSABE MAINA)

ZAVATRA ILAINA :
Vary fotsy (no tiako dia izay no ampiasaiko)
Anana mifangaro
Patsa mena
Tongolo 1
Sira
menaka kely
5 épices

FIKARAKARANA AZY :
- Ahandroina mitokana ny vary toy ny vary maina,
- mandritra izay, dia endasina maina anaty lapoaly ny patsamena, avy eo arotsaka ao ny anana voatetika dia endasina tsy atao masaka be ny anana fa manjary tsy voatazona lay maitso
- avy eo arotsaka anaty vilany, dia asiana rano izay tiana sy ampy ho an'ny vary
- tetehana ao ilay tongolo 1, arotsaka ny 5 épices, rehefa mangotraka dia arotsaka ao ny vary masaka, hamarinina ny sira.

PATSA BE MAINA
- Tapahana ilay matsilo eo amin'ny vavany iny dia aloana ranon-tsira vetivety eo amin'ny 5minitra eo
- afanaina ny menaka dia endasina mendimendy tsara dia vita.

Nahandron'i Lah Randria - 25.08.17

Mazotoa o !

Catégorie: