Vary amin'ny voanio

478

VARY sy VOANIO 

ZAVATRA ILAINA:

_ vary 3 kp
_voanio 1
_ rano matimaty 1L sy sasany
_ Sira kely
_ Tamotamo (raha tianao hisy loko ny vary)

FIKARAKARANA :
- kikisana aminy ambozo ny voanio, fiazana miaraka amin'ilay rano matimaty, tavanana tsara atao anaty vilany, asiana sira sy tamotamo, apetraka ambony afo ( tsy saronana ny vilany).
- Rehefa mangotraka ny ranon'ny voanio, dia sasana ny vary ary arotsaka ao. Tsihifina tsara mba tsy ho lasa any ny rano tamin'ilay vary.
- Aroina amin'ny sotrobe foana mandrapaha - ritran'ny vary.
- Rehefa hitanao fa ritra ny vary, ahena ny afo ao ambany, dia ampiakarina aty ambonin'ny takotra ny saribao.

mazotoa o 

nahandron'i Tinie Said

 

Catégorie: