Vary sy fromazy parmesan

779

Riso in bianco con parmigiano – Vary fotsy sy fromazy parmesan

azo hohanina amin'izao fa eto moa nasiana laoka saosisy :)

Recette 1
 

Zavatra ilaina:
vary 320g
dibera 50g
parmesan 50g
sira sy dipoavatra raha tiana
menaka oliva
ranon-dasopy na rano mafana
tongolo be 1

Fikarakarana azy
atao anaty vilany ny menaka oliva dia endasina kely ao ny tongolo voatetika madinika mba halemy
arotsaka ny vary , dia avela haka loko ihany koa minitra vitsy,
tondrahana ranon-dasopy 1 sotrobe n arano mangotraka dia harina ary avela ho ritra dia tapohana hatrany mandrapa masaka.
Rehefa masaka dia esoriny amin’ny afo ary rarahana parmesan sy dibera, afangaro tsara dia azo aroso.
 

Recette 1 
Zavatra ilaina

vary 320g
dibera 50g
parmesan 50g
sira

Fikarakarana azy

- Mampangotraka rano misy sira, dia arotsaka ny vary ka rehefa masaka eo amin’15 minitra eo dia tatavanina ary  ariana ny rano,
- tonga dia asiana dibera sy parmesan iny mbola mamay iny dia mitsonika avy hatrany, afangaro tsara dia aroso.

Mazotoa o 

Catégorie: