Vary sy petit pois

663

SAKAFO MAHALAEO TENA : Vary sy petit pois ary crème fraîche

Zavatra ilaina:

Vary
"Petit pois"
"Crème fraîche" efatra sotro fihinanana
"Fromage la vache qui rit" 3
Sira
Dipoavatra
Curry
Zava maitso izay safidy

Fikarakarana:

Andrahoina miaraka amin'ny rano misy sira ny vary sy ny "petit pois". Rehefa hita fa masaka dia asiana curry ka haroharoina tsara, avela ho ridritra dia esorina ambony afo.
Rehefa vita izay dia maka vilany iray manokana, andrahoina miaraka ao ny crème fraîche sy ny fromage mandrampihempo ny fromazy, asiana sira sy dipoavatra ary zavamaitso izay safidinao.
Vita izay rehetra izay dia loarana ny vary dia rarahana eo amboniny ny sauce, aroso miaraka amin'ny kiendihendy na izay tiana mety daholo.

Mazotoa daholo indray 

NB: Azo asiana "sauce béchamel" ihany koa raha tsy te hampiasa "crème fraiche"

Nahandron'i TiAna

Catégorie: