vary sy voatavo

118

vary sy voatavo : sakafon-jaza sy lehibe

zavatra ilaina:

voatavo, tongolo gasy, tongolo oignon, menaka, persil, fromage , poivre, 

fikarakarana azy :

- ho an'ny ankizy :
tetehana ny voatavo dia asiana tongolo gasy sy oignon, menaka ary rano kely dia atao ambony afo malefaka ary asiana sira, rehefa masaka na somary malemy dia esorina ny tongolo gasy , mixer-na ny voatavo halemy kokoa na potserina amin'ny fourchette. Averina anaty vilany dia tapohana rano somary betsaka araka izay vary andrahoina , rehefa mangotraka dia arotsaka ny vary (efa voasasa) 2 na 3 sotro isan'olona dia arohina matetika tsy hiraikitra. Tapohana rano mafana raha tsy ampy rano mandrapaha masaka azy ritra tsara. 
Rehefa hihinana dia asiana fromage rapé . miam matsiro be ary tian'ny kilonga.

- ho an'ny lehibe:

Fa raha te hanao matsiro kokoa dia azo asiana lard fumé kely dia endakendasina tsy misy menaka ary rehefa vita dia ariana ny menaka nivoaka , manendy oignon kely amin'ny huile d'olive, izay vao arotsaka ny voatavo efa voatetika dia asiana rano kely fotsiny na divay demi verre, asiana sira ary rehefa malemy tsara vao ampiana rano handrahoana ny vary , dia arotsaka ny vary ary tapohana tsikelikely , faranana amin'ny fromage sy ireo lard fumé , poivre ary persil kely 
Azo soloina pates koa ny vary ,
mazotoa o

de Angie Boutax

Catégorie: 
Matériels: