Voatabia voasesika

559

VOATABIA VOASESIKA

ZAVATRA ILAINA :

- voatabia madinika
- Fromage blanc (na fondu na fromage vache qui rit)
- saumon na thon na nofo-trondro  
- sira 
- kotomila kely na izay zava-maintso tiana
- mayonaise raha tiana

Fikarakarana azy :

- Atao anaty « bol » ny fromazy dia potehina asiana kotomila na izay zavamaintso tiana
- Arotsaka ny saumon na nofo-trondro izay tiana efa voapotika tsara, afangaro tsara
- Atao miaraka daholo ireo voalaza ireo afangaro tsara *(azo asiana sira fa tsy voatery an) 
- Didiana ny voatabia tsy atao amorony loatra
- Avadika anasorana kely ny lohany (mba hipetraka tsara)
- Esorina ny ao anatin'ny voatabia.
- Raha tia « mayonnaise »dia asiana kely ary afangaro tsara,
- asesika ao anaty voatabia ary alahatra ambony vilia.

Mazotoa o 

Nahandron'i Hanta Andrianina

 

Catégorie: