Voatavo sy ovy

952

TSAKITSAKY : VOATAVO SY OVY PANE'

ZAVATRA ILAINA:

- 500 g ovy masaka voapotsitra : ovy  andrahoina aman-kodiny dia voasana ary asiana sira
- 350 g voatavo masaka voapotsitra : nadio sy voatetika nandrahoana tamin'ny rano kely masira sy misy menaka na atao anaty lafaoro -180 ° mandritra ny 20 minitra
- 150 g mofo maina voatoto "chapelure"
- 100 g fromazy voakiky eto parmesan
- Lafarinina izay ampy
- 2 atody
- Menaka 
- Sira
- Persila

FIKARAKARANA AZY :

Atambatra ny ovy sy voatavo voapotsitra, asiana atody, mofo maina voatoto persil voatetika ary ny fromazy voakiky dia afangaro tsara avokoa.
Rehefa vita dia maka kely ary volavolaina hitambatra tsara dia atao boribory.
Hosorana lafarinina aloha vao ampandalovina anaty atody voakapoka sy masira, ary ny farany ao anatin'ny potomofo.
Zay vao endasina amin'ny menaka mandifotra azy ary atao afo antonony ho masaka sy mena tsara.
Tsihifina tsara ambony taratasy na "essuit tout" ny menaka.

Mazotoa homana ary 
Azo ovaina legioma hafa moa io toy ny korizety sy baranjely na koa artichaut

Nahandron'i Tiana Parlato 

 

Catégorie: