Voatavo voasesika

872

BUTTERNUT FARCI - VOATAVO VOASESIKA

Butternut variété cucurbitacée - karazana voatavo izy ity

ZAVATRA ILAINA: ho an'olona roa 

butternut 1na 2
ovy 1 
toto-kena 100g 
Fromazy izay misy  fa eto dia 1/2 boursin
crème fraîche 1 sotro fihinanana 
atody 1 
20g parmesan 
dipoavatra sy sira 

FIKARAKARANA AZY:

Zaraina 2 ny voatavo "butternut". Ariana ny voniny ary esorina ny nofony, tehirizina kosa ny hodiny fa ho atao anaty lafaoro.
Andrahona masakevoka izany hoe " à vapeur" ny nofon'ny "butternut" sy ny ovy ka rehefa masaka dia potserina
Endasina ny toto-kena avela hitera-menaka.
Afangaro daholo: ny toto-kena, "butternut", ovy, fromazy "boursin", "crème fraiche", atody voakapoka , sira ary dipoavatra 

Averina anatin'ilay hoditry ny voatavo "butternut" io fangaro io  
Asiana fromazy "parmesan" voakiky eo ambony indrindra. 

Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha, amin'ny hafanana 200°C mandtritry ny 30 minitra eo  

Fanamarihana:
- Tsara raha bio ilay butternut satria ny hodiny no solon'ny vilia
- Azo soloina izay tiana ny hena: ohatra nofon'akoho, toton-kena kisoa, saosisy, jambon, legioma...
- Ny "butternut" kosa azo soloina baranjely, korzety, ovy, voatabia azoa atao farci daholo ireo 

 
Am-pitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi 

Catégorie: