Voninkazo saosisy

864

VONINKAZO SAOSISY - (fleurs de petits fours  )

ZAVATRA ILAINA

Pate feuilletée 1 efa vita
atody 1
saosisy 4 (saucisse "wurstel")

FIKARAKARANA AZY

Velarina ny “pate feuilletée” dia zaraina efatra ary apetraka ny saosisy ary fonosina toy ny tsihy ary atao mitambatra tsara mba hipetaka tsara
Tetehina avy eo tokony 1,5 sm na 2 sm eo  dia manao voninkazo kely: alahatra ambony lasitra efa nasiana taratasy mandeha lafaoro na hoe “papier cuisson”. Mila boribory 7 no manao ilay voninkazo iray
Kapohana ny atody dia lalorina tsara ny voninkazo mba hitambatra sy ho mena tsara avy eo
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C 15-20 minitra eo rehefa menamena tsara dia vita.

Mazotoa o
Andry Mamina

 

Catégorie: