Vorivorin-kena sy tongotr'ondry voasesika

932

LAOKA : PIEDS ET PAQUETS MARSEILLAIS - VORIVORIN-KENA SY TONGOTR'ONDRY VOASESIKA

Specialité provençale et surtout de Marseille - Matetika moa dia sakafo fihinana rehefa Noely ihany koa izy ityho an'izy ireo.

ZAVATRA ILAINA :

vorivorin-kena
tongotr’ondry  
menaka oliva
Voatabia,
thym,
divay fotsy,
tongolo be (mena),
sira sy dipoavatra ,
legioma: karoty 2 sy poarao ary céleri (hanome tsiro ron-dasopy tsy mampiasa jumbo)
rano 2 vera

Sesika:
persila
tongolo gasy
“lardon”

FIKARAKARANA AZY

Ny sesika no atao aloha ka totohina ny persila sy tongolo gasy ary tetehana madinika ny “lardon” dia arotsaka ao dia afangaro tsara
Sesehana an’io ny vorivorin-kena sy tongotr’ondry (jereo ny sary)
dia arotsaka anaty vilany efa misy menaka oliva kely avela haka loko kely dia arotsaka ny voatabia, thym sy ny legioma votatetika madinika ary asiana sira sy dipoavatra dia afangaro tsara hahazo tsiro avokoa.
Tondrahana divay ka rehefa miala ny entona dia asiana ilay rano dia avela ho masaka tokony ho ora 3 eo amin’ny afo malefaka.
Rehefa masaka izy dia malemy sady marihitra.
Aroso miaraka ami’ny vary mena eto dia “riz rouge de Camargue”
Matsiro kokoa izy ny ampitso rehefa hafanaina

Nahandron’i Niry Rafi 

 

Catégorie: