Whoopie au chocolat

394

 

WHOOPIE AU CHOCOLAT - azo atao "gouter" tsara toy ny mofo sokola

Ho an’ny sarony :

Zavatra ilaina :

150g siramamy,
100g dibera malemy,
atody 2,
170g lafarina,
3 sotro cacao vovony,
½ sachet lalovay simika

Fikarakarana azy: 

 afangaro tsara araka ny laharany ireo hanome laro ranoiray. Apetraka ambony papier sulfurisé vongany 1 sotrokely, raha misy manana ilay silicone efa misy faritra boribory kely ireny moa vao maika tsara. Atsofoka 10mn anaty lafaoro 180°C (efa nafanaina).

Ho an’ny sesika sôkôla :

Zavatra ilaina:

20g dibera,
sôkôla pâtissier 100g,
10cl crème liquide

Fikarakarana azy :

miaraka atsonika, afangaroy tsy ankijanona mba tsy hiraikitra.
Vita izay dia asiana sesika ny atsasaky ny boribory iray, ary saromana boribory kely faharoa. 
Mazotoa o 

Nahandron'i Bonbon Mamibe (nalaina tao amin'ny " Aux délices des gourmands ")

Catégorie: