Yaourt à boire

556

YAOURT A BOIRE AMIN'NY TAMOTAMO SY SAKAMALAO 
 

Zavatra Ilaina:
-1/2 L ronono ( lait caillé);
-1 voasary;
-1 voasary makirana;
-10 sm sakamala (gingembre);
-6 sm tamotamo (curcuma);
-Vovon- tsiramamy 3 sotro fihinanana.

Fikarakarana:
1) Sasana dia kikisana amin'ny "râpe à fromage" ny sakamalao;
2) Potserina ny voasary sy ny voasary makirana;
3) Sasana amin'ny rano mangatsiaka ny tamotamo dia atao tetika boribory(rondelle);
4) Potehina anaty "mixeur" mandritra ny 2mn ilay sakamalao voakiky+ tamotamo voatetika+ ranona voasary sy voasary. Asiana siramamy 3 sotro fihinanana sy ronono(lait caillé) ½ L.
Afangaro tsara tsy hisy hiavaka(homogène) ao anaty "mixeur". 
5) Tatavanina dia araraka anaty tavoahangy.
Atao ao anaty vata fampangatsiahana mandritry ny ora 1 mialohan`ny hisotroana azy.

Mazotoa o 

Sary nahandro nalain'i Hari Anjara Soa ary nadika teny malagasy avy ao amin'ny pejy facebook : Recette de cuisine artisanale d'Ambanja ( Madagascar )

Catégorie: