Zeppola

496

ZEPPOLA 
Karazana mofomamy italiana, faritra atsimo 

ZAVATRA ILAINA :
rano 1kopy
lafarina 1kopy
sira
menaka hanendasana
saosy tantely na siramamy.

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana ny rano misy sira, arotsaka ny lafarina, aroina ka rehefa miendaka amin'ny vilany, dia atao eo ambonin' ny latabatra misy lafarina, kosehina hitambatra tsara.
- Silahana, atao miendrika "bracelet" maromaro dia endasina, tsihifina tsara
- rarahana siramamy na saosy tantely ( siramamy sy tantely mitovy fatra tapohana rano kely mba hitsonika eo ambonin' ny afo ho lasa fotsofotsy ny lokony ) mialohan' ny aroso.

Mazotoa hatrany o

Nokarakarain'i Tiana Parlato

 

Catégorie: