Sakafo Malagasy - Cuisine Malgache

Tsapa fa nahazoan'ny maro traikefa ny VONDRONA "MALAGASY MIZARA NAHANDRO" izay niainga avy ao amin'ny vondrona tao amin'ny facebook ; ka tsy ho fihininay samy irery izany, fa hozaraina amin'ireo manodidina anay, izay tsy mampiasa facebook.

Efa nifampitondranay tao anaty vondrona ny "mahaiza mandray mahaiza mizara" dia am-pifaliana no hizaranay azy eto amin'ity vohikala ity ihany koa. Sata anisan'ny nampandroso ny vondrona tokoa mantsy ny hoe :"tsara kokoa ny manome noho ny mandray" sy ny hoe "mahazo maimai-poana isika ka dia mba mizara maimai - poana".

Zaraina eto ihany koa, ireo torohevitra mahasoa maro avy amin'ireo vondrona maro hafa ao amin'ny facebook momba ireo zavamaniry misy ao Madagasikara ary mampiavaka azy, ary ireo zavamaniry mahasoa ara-pahasalamana ihany koa eran - tany.

Ao amin'ny "Recettes" no hahitanao ny sary sy nahandro natolotry ny mpikambana ao amin'ny vondrona izay tompon'andraikitra mivantana amin'izany.

Ao amin'ny "Astuces & Vertus" kosa no hahitanao ny momba ny zavamaniry rehetra hahitana voka - tsoa

Tsy azo adinoina ireo hetsika ataon'ny vondrona na "Vie sociale" ka ao no mirakitra ireo zava - nisy : fety , lalao, asa sosialy , fampianarana, sary sy lanonana ...

Azo atao koa ny manao fikarohana avy hatrany eo amin'ilay "loupe" kely ambony indrindra raha misy nahandro tadiavinao manokana.

Koa mazotoa ary maka izay tianao eto indray.

Mirary soa indrindra

Andry Rungi :)

NB: Tsy tompon'andraikitra amin'izay sary na recette nalain'ny mpikambana tany an - kafa ka tsy nolazainy tao amin'ny vondrona izahay.