saladier

Salade Grecque

Salady Grecque azo atao entrée

zavatra ilaina:

tomate, concombre, radis, fromage Feta, charcuterie , olive noir, atody , maïs doux, salade, vinagre, huile, sira, siramamy kely 

Fikarakarana azy:

- atao anaty saladier dia tetehana atao en dé daholo ireo tomate, concombre, radis, fromage Feta rehetra ireo

- manao sauce vinaigrette miaraka amin'ny  vinagre, huile, sira, siramamy kely dia arotsaka ao koa, haroina tsara

- arotsaka ny charcuterie voatetika sy olive noir.

- Manao oeuf dur atao déco fotsiny,

Lasary kokombra sy katsaka

LASARY KOKOMBRA SY KATSAKA 

Mbola mitady dikan-teny malagasy amin'ny "concombre " indray aloha fa mandrapa dia ireto no heno  :kaokaombra , kokombra, na kinesy hono any amin'ny faritra sasany ao Madagasikara 

ZAVATRA ILAINA:

concombre 2 

voatabia vaventy 6

katsaka amin'ny boaty 1/3.

Persila na kotomila kely

 

Fikarakarana azy:

Mofo voatavo

 Zavatra ilaina:

Voatavo didiny 2 na 3 amin'ilay 100ar (prix 2015)
Atody 1,
lafarina 300g
lavanila 1 càc (na "parfum" izay tiana)
siramamy 250g
tantely 2càs
levure" (ho an izay tia mampiasa)

Fikarakarana azy: 

Nems sy salade

Nems sy salade

Ity indray ary ny manaraka,
Nems sy salade miaraka !

Alaivo ny hena kisoa,
Toroy ho potika tokoa !

Alaivo koa ny hen’omby,
Dia totoy raha ts’izay tsy mahomby !

Cheveux d’ange sy champignon noir
Coriandre koa mba ho manitra tsara !

Dia asio sira sy carotte râpée
Ary poivre fa tsy atao be dia be !

Tsy adino ny tongolo gasy
Kely fotsiny manjary tsy lasa… !

Dia afangaroy izy rehetra ireo,
Ny fanaovana ny fonony ao @ fichier ao jereo !

Salade de poivron

SALADY SAIKABE - SALADE DE POIVRON 

tsara ho an'ny olona te hampiena vatana izy ity  ,fa sady mora hatao no tsara. 

Zavatra ilaina 

sakaibe na "poivrons" maro loko,
voasary makirana,
salady maintso,
voatabia,
menaka,
sira

Fikarakarana azy

Maka karazana sakaibe dia sasany tsara dia tetehina majinika "en dé" na lavalava araka izay tiana

Sasana ny salady dia tetehina majinika koa, 

Ny voatabia kosa atao haingony azo atao boribory

Lasary saosety 1

LASARY SOSETY NA SAOSETY - christophine , chouchoute anarany avokoa 

ZAVATRA ILAINA:

saosety,
mayonnaise,
atody,
vinaingitra,
sakaibe,
menaka,
sira,
dipoavatra
tongolo maintso na persila

FIKARAKARANA AZY

-  Andrahoina aman-korany ny atody 

- Tetehina ny saosety rehefa voadio dia andrahoina,ary rehefa masaka tsy atao malemy be dia avela hangatsiaka, 

- asiana mayonnaise sy saosy vinaingitra kely miaraka amin'ny menaka, sira sy dipoavatra

cake banane

Zavatra ilaina

ahazoana cake 2 ampy olona 10 (moule GM) :

- lafarinina 0,5kg
- akondro 1kg
- siramamy mena 1/4kg
- atody 4
- lalovay na levure biologique (lay miendrika atodinjavatra kely amin'ny hazo ireny ny paoziny) 
- karbonetra : 1 safo vavan'ny sotrokely
- yaourt maison 1
- menaka erak'ilay boatin'ny yaourt teo ambony (125grs eo ho eo)

Fikarakarana :

Salady voatabia sy fromage

Mora tokoa izy ity 

zavatra ilaina 

voatabia, fromage, citron, menaka , sira, tongolo maintso 

Fikarakarana azy 

Tetehina boribory ny voatabia

Tetehina ihany koa ny fromage afangaro  anaty saladier

manao sauce vinaigrette: citron, menaka , sira, tongolo maintso 

Afaka alahatra amin'ny vilia hiangalina tsara ny presentation koa an

Mazotoa daholo e!

de Aina Rakotoarisoa

Salade gourmande

zavatra ilaina:

fromage, charcuterie, poivron, voatabia, atody, poulet, citron, menaka, sira 

Fikarakarana azy:

andrahoina amin'ny akora ny atody

tapahana lavalava ny fromage, charcuterie, poivron sy voatabia.

tetehina en dé  kosa ny nofon'akoho

manao sauce vinaigrette : menaka , sira, siramamy kely , citron na vinaigre 

Afangaro amin'ny sauce vinaigrette (afaka asiana mayonnaise) ny rehetra

ny habetsakin'ny ingrédient tsirairay dia miankina amin'ny hitiavana azy

Mazotoa homana o

Godrogodro au coco

Godrogodro au coco​ 

Zavatra ilaina : 

- 1 coco raper-na amin'ny ambozo no tena tsara
- 1kg koba vary, raha tsy mahita dia vary broyé-na amin'ny robot dia tena atao mahazo poudre mintsy
- 1kg siramamy : 750grs et 250 grs
 

Fikarakarana azy

Pages

S'abonner à saladier