moule bain-marie

Mofo ronono

MOFO RONONO,

Zavatra ilaina:

farine 2pot yaourt, siramamy 1 sy tapany pot yaourt, atody 4, vanille, ronono 1/2 l, beurre atao amin'ny lasitra

Fikarakarana:

kapohina ny atody sy siramamy rehefa mitombo tsara dia arotsaka tsikelikely ny ronono manta,

manaraka ny farine voasivana farany ny hanitra 

Hosorana dobera ny lasitra dia alefa ao ny paty,

andrahoina atao "bain marie" mandritra ny 1ora sy sasany,

andrasana hangatsiaka vao esorina anaty lasitra

mazotoa o 

Mofo katsaka

Gateau katsaka angamba no mahalaza azy ity kosa.

zavatra ilaina:

katsaka manta tanora,

siramamy,

ronono mandry,

levure 1 tsongo.

(tsy nasiako fatrany fa izaho tsy tia mamy be, dia atao araka zay itiavana azy fotsiny)

S'abonner à moule bain-marie