Baranjely saosy

679

Baranjely saosy na "aubergine sauce" na "melanzane friti" hoy ny italien. 

Zavatra ilaina:

baranjely,
tongolo gasy hasiny 1 
voatabia
sira 
bazilika
 
Fikarakarana azy:

- sasana tsara ny baranjely dia tetehina majinika efajoro ary endasina.
- maka lapoaly dia atao be menaka be satria rehefa manedy ka kely menaka dia trohany fotsiny iny. izay vita dia atokana aloha. 
- rehefa voaendy ny baranjely dia esorina ny menaka be loatra dia endakendasina kely kosa ny tongolo gasy ary atao afo malefaka, rehefa miova loko dia asiana sira 
- arotsaka ny voatabia dia avela halemy tsara ka rehefa masaka dia arotsaka ny baranjely dia afangaro hifandray tsara. Rehefa masaka vao asiana basilic dia vonoina ny afo. 
Azo hohanina amin’ny vary , pate, mofo, hena na trondro.

Mazotoa o

Catégorie: