Bavarois ananas

492

" BAVAROIS ANANAS COCO" 

ZAVATRA ILAINA :
Ho an'ny "dacquoise à la noix de coco" (ilay fanambaniny) :
- kikim-boanio maina 100g
- "sucre glace" 150g
- tapotsin'atody 5
- "amande" vovony 40g
- siramamy 40g

Ho an'ny "mousse à l’ananas" (afovoany) :
- mananasy amin'ny boaty 500g (ilay tsy misy "sirop")
- mananasy amin'ny boaty 1 isa
- crème liquide 20cl (danica, hopla,...)
- "feuilles de gélatine" 5

Ho an'ny "mousse à la noix de coco" (afovoany) :
- rononom-boanio (lait de coco) 1biriky kely
- crème liquide 20cl (danica, hopla,...)
- "feuilles de gélatine" 4
- kikim-boanio maina 2 sotro fihinanana

Ho an'ny "miroir à l’ananas" (tapony) :
- mananasy amin'ny boaty 200g
- "sucre glace" 40g
- "feuilles de gélatine" 2
- loko mavo fandokoan-tsakafo (colorant alimentaire jaune)
- rano

Ho an'ny fanaingoana :
- didina mananasy tamin'ny boaty sy kikim-boanio maina (eto)

FIKARAKARANA : ( afaka atao 24ora na 48 ora mialoha)

Ho an'ny "dacquoise" : (ilay biscuit fanambaniny)
- Tantavanina ary atao anaty bol ny "amande" vovony sy ny "sucre glace", ampiana kikim-boanio vovony. Atokana.
- Kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny dia afafy ny siramamy, kapohana ihany.
- Rehefa tsy milatsaka intsony, dia afangaro mora amin'ilay fangaro natokantsika teo.
- Atao anaty lasitra "génoise" dia atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 20 minitra.

Ho an'ny "mousse à l'ananas" :
-"mixer"-na ilay mananasy amin'ny boaty 500g, asiana ranom-boankazo 4sotro fihinanana (na rano koa mety)
- Lemena anaty rano mangatsiaka ilay "feuille de gelatine" 5
- Afanaina anaty "casserole" ilay mananasy voapotsitra, rehefa mafana tsara dia fihazana ilay "gélatine" ary arotsaka ao, aroina tsara dia avela hangatsiaka
- Kapohana hiakatra ilay "crème liquide" ahazo "chantilly", rehefa miakatra tsara dia afangaro moramora amin'ilay fangaro teo aloha.

- Alaina indray ilay mananasy amin'ny boaty iray ary zaraina 2 ahazo antsasa-paribolana (demi lune). Atokana ny ranony.
- Alahatra tsirairay manodidina ilay lasitra "génoise" (ao anatiny) (ilay "dacquoise" efa masaka no ambany a)
- lendemana amin'ny ranon'ilay mananasy tamin'ny boaty natokana teo ilay "dacquoise" dia alefa eo amboniny ilay "mousse à l'ananas" lalorina tsara tsy hisian'ny faritra banga, dia atsofoka anaty vata fampagatsiahana mandra-pivaingany.

Ho an'ny " mousse à la coco" :
- Lemena anaty rano mangatsiaka ilay "feuille de gélatine" 4
- Afanaina ny rononom-boanio ary arotsaka ny "gélatine" efa nofihazana tsara, aroina tsara dia avela hangatsiaka. Ampiana kikim-boanio maina.
- Kapohana hiakatra ilay "crème liquide" ahazo "chantilly", rehefa miakatra tsara dia afangaro moramora amin'ilay fangaro teo aloha.
- Alaina io "mousse" io dia atao ambonin'ilay "mousse à l'ananas" efa nivaingana tsara. Lalorina hitovy tantana dia avela 2ora indray anaty vata fampangatsiahana.

Ho an'ny "fitaratra mavo" (miroir) (ambony indrindra) :
- Lemena anaty rano mangatsiaka ilay "feuille de gélatine" 2
- "Mixer-na" ny mananasy amin'ny boaty sy ny "sucre glace", ampiana rano kely raha diso maina
- Tetevana ilay "colorant" mavo mandra-pahazo loko mavo tsara
- Afanaina ary ampiana "gélatine" efa nolemena tao anaty rano mangatsiaka sy nofihazana tsara. Aroina tsara. Avela hangatsiaka dia araraka eo ambonin'ny "bavarois".
- Atao anaty vata fampangatsiahana indray 2ora fara-fahakeliny. Haingoina.

Fanamarihana : 
- mila mampiasa ilay lasitra afaka sokafana ireny eto
- nampiana sirmamy 1sotro fihinanana ny "mousse" teo am-pikarakarana

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: