Chou farcie

648

LAOKA : CHOU FARCIE - LAISOA VOASESIKA

Zavatra ilaina:

Laisoa 1

- Ho an'ny sesika: 
toto-kena 250g 
kotomila 
tongolo gasy
sakamalaho
atody 1 
fecule 2 sotro 
sauce soya1 sotro 
menaka 2 sotro 
sira

Ron'akoho 1l, 
karoty 4 
ovy 4 
celeri 
oignon 1 notsatohana girofle 3

Fikarakarana: 
nampangotrahina 15mn tao anaty rano mangotraka nasiana sira ny laisoa rehefa voadio (tsy tetehina a), rehefa izay dia avy dia atsoboka anaty rano mangatsiaka
Afangaro daholo ireo fangaro natokana ho an'ny farce
Vahana moramora nyravina laisoa (jereo sary) tsy alana tanteraka a, rehefa tonga ao amin'ny afovoany indrindra dia apetraka ny farce dia averina arakotra azy ny ravina laisoa tokony ho 3 na 4, dia apetraka indray ny farce dia rakofana ravina dia toy izany hatrany. Fatorana rofia tsy hiboraka dia apetraka anaty vilany efa misy ilay ron'akoho sy karoty ary ovy, oignon misy girofle, sira. Tanehana amin'ny afo malefaka mandritra ny 1h 30
Mazotoa homana daholo e!

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: