Crepes au jambon et fromage comté

1118

SAKAFO ODY AM-BAVA FO : CREPE SY FROMAZY ARY BECHAMEL:

 

BECHAMEL AU FROMAGE COMTE’

ZAVATRA ILAINA:

Ronono 500ml
Lafarina 30 g 
Dibera 30g (demi sel) 
Sira sy dipoavatra
“noix de muscade” 1 tsongo
fromazy “comté” voakiky 100g

FIKARAKARANA AZY:

- Atsonika anaty vilany amin’ny afo malefaka ny dibera dia arotsaka ny lafarina sy ny “noix de muscade” haroina tsara tsy hivaingana na hiraikitra.
- Arotsaka ny ronono mangatsiaka, kapohana foana mandrapangotraka azy dia arotsaka ny fromazy “comté voakiky, dia ampiana sira sy dipoavatra araka izay tiana, hafangaro tsara hatrany dia vita.

 

 CREPE:

 

ZAVATRA ILAINA
Atody 3 
Lafarinina 250g
Ronono 500ml
dibera natsonika 25g (demi sel)
Sira 1 tsongo

FIKARAKARANA AZY:

- kapohana ny atody sy ny sira kely  ary ny lafarina kosa no alefa tsikelikely  amin'izay tsy mitambaingana,
- arotsaka tsikelikely ny ronono ary kapohana hatrany ny paty mba halefaka
- arotsaka ny dibera natsonika ary tohizana kapohina hifangaro tsara avokoa avy eo apetraka amin’ny toerana mangatsiatsiaka eo ora roa eo(2 heures) 
- Rehefa izay dia hosorana dobera ny lapoaly na menaka kely dia arotsaka amin'izay ny crepe,  alaina amin'ny sotro be jobo na hoe "louche" atao eo amin'ny 1 minitra eo ho eo ny ambadika sy ambadika dia vita dia avela hangatsiaka.
 

FANAMBARANA NY CREPES VOASESIKA (Les crêpes fourrées)

Alahatra daholo ny zavatra ilaina efa voaomana :
10 crepes,
“bèchamel au comté”,
fromazy voakiky 50g,
 jambon zaraina roa.

-Alaina ny crepe iray dia velarina, asiana bechamel tokony ho2 sotro fihinanana
-Zaraina roa ny jambon iray ary esorina ilay matavy raha tsy tiana ary apetraka eo ambony crepe ny  iray dia ahorona toy ny tsihy
-Maka lasitra fisaka efa nosorana dibera sy bechamel kely ao ambany, dia alahatra ny crepes ary  rakofana bechamel sy fromazy voakiky cmpté. 
-Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°  vao atao anaty lafaoro mandritra ny 15-20 minitra eo

Azo aroso miaraka amin’ny salady maintso.

Mazotoa o
Nahandron’i Lova Petit Rama de Graine de faim kely 09.02.18

 

Catégorie: