Croquette de poulet

681

Lalao fetin'ny Ray 2016
CROQUETTE DE POULET 
Zavatra ilaina :
Akoho izay ampy 
mofo nialonandro 2 
Atody 2 
Thym, dipoavatra, Carry 
Tongolo gasy, sakamalaho, tongolo
Voatabia 
Salady 
voasary makirana
Persily
Menaka, Sira 

Fikarakarana azy :
- Tetehana ny akoho ary sasana. Atao anaty lovia, dia asiana sira, dipoavatra, carry, thym ary tongolo gasy sy sakamalaho voatoto. Afangaro tsara ary avela hilona 30minitra.
- Mandram-piandry an'izay, dia potipotehana ho lasa vovoka ilay mofo nialonandro, dia ato anaty lovia mitokana.
- kapohana koa ilay atody, dia atao anaty lovia mitokana.

Fandrahoana azy :
- Afanaina ny menaka. Alaina tsirairay ny akoho dia atsoboka ao amin'ilay atody ary fafazana poti-mofo dia endasina amin'ny afo malefaka. Rehefa hita fa masaka sy mahazo loko dia loarana.

- Haingona amin'ny salady,voatabia, persily ary tongolo ny lovia ary atao eo ny akoho.

Mazotoa o !

nahandron'i Tsiry Jocelyn Andrianantenaina
 

Catégorie: