Fen'akoho amin'ny "estragon"

Portrait de Angie
676

Fen'akoho amin'ny "estragon" (na "dragoncello" amin'ny italien) 
Karazana ravina kely ny "estragon"

Zavatra ilaina (hoan'olona 6):

Fen'akoho 6 isa na akoho 1
paoma 6 isa;
calvados 100ml; (azo soloina rhum izay misy)
crème fraîche épaisse 500g;
dibera noempoina 3 sotro fihinanana 
dibera 100g (katsano ho atsasany raha Tefal ny lapoaly);
estragon;
dipoavatra
.
Fikarakarana azy:

- Sasana tsara ny hena, paoma ary estragon.
- Esorina ny tavin'akoho (fa manentsina lalan-drà) dia osory dibera 3 sotro fihinanana sy sira ny fenak'akoho.  Avy eo, apetraka milamina tsara anaty lasitra ka alefa anaty lafaoro 210° mandritran'ny 40 minitra. Tondrahana ilay saosy mivoaka (ra, rò, menaka) tsindraindray ny akoho.
Mandra-paha, voaso ny paoma ary zarao amin'ny halavany. Esorina ny taolany sy ny voany, mazava ho azy! Atokano.
Esory avy ao anaty lafaoro ny akoho ka atokany ary tazomina ny hafanany (anaty "hot pot", ohatra). Ario iny menaka be naterany iny fa manentsina lalan-drà iny... fa... ajanona ao ny saosy sy ny kaokany;
- Ampiana menaka kely izay ilay lasitra dia alefa ambony afo ilay plat misy ny tsiron'akoho teo. Afanao ary andraraho calvados 3 sotro fihinanana amin'ilay 100ml. Aleo hiboiboika kely mba hiempaka ny kaoka niraikitra ary mba hiharo ny tsiro rehetra. Aleo hihena atsasany mihitsy ilay fatrana tsiro teo. Rehefa izay, araraho ny lakirema. Ampanaraho ny ravina estragon voahety. Ny ahy dia naolako tamin'ny lohan-dratsan-tanana ny ravina maromaro fa tsy naka hety. Alatsaka ny afo ho tena malefaka;
Mandra-paha, empoina anaty lapoaly amin'ny afo mafy ny dibera ambiny (izay manentsina lalan-drà ihany koa). Ary, arotsahy ao ny tetika paoma ka avela ao mandra-pahazony lokom-bolamena. Rehefa izay, ampio ilay ambina calvados amin'izay. Manitra aloha e! Saromy, alatsaho ho antonony ny afo ary avela ao dimy minitra. Asio dipoavatra. 
- Afanaina ny vilia fandrosoana sakafo an-databatra iray izay ho onona ny fen'akoho. Raraho ilay saosy 
Ampanarahana aminy ny paoma manitra dibera sy calvados. Tsara!
.
- Fehiny: 
* Raha lapoaly Tefal (irony vy mirakotra ka tsy mampiraikitra ny nahandro irony) no nanendasana ny paoma, dibera 50g dia mahavita. T
* Sakafom-bazaha ity: ny saosy no tsiro! Misy lanjany be ny fahandro ny saosy/lakirema eto. Tsy nobangako ny lakirema. 

Nahandron'i Noro Liva Rakotondrasamba

Catégorie: