Gâteau magique au citron

9

Izay tsy manao ihany no tsy mahay e! nanao ezaka dia mba faly ery fa nisy vokatra na dia mbola tsy tena ao tsara aza:

Gâteau magique au citron 

Zavatra ilaina:

 dibera 110g
- atody 4
- siramamy 150 g
- 1 voasary makirana (jus+ilay hasina efa potika)
- lafarinina 120g
- ronono matimaty 48 cl
- sucre glace (atao haingony)
- moule à cake (20 cm/10 cm hauteur) 

Fikarakaràna:

-sarahina ny tamenk'atody sy ny tapotsiny
-atsonika 1 mn ny dibera
-afangaro ny tamenak'atody sy ny siramamy mandrapahazo toy ny crème
-arotsaka ny ranona citron sy ny hasiny potika, ny dibera mitsonika, ary ny lafarinina voasivana
-afangaro tsara dia arotsaka indray avy eo ny ronono matimaty
-kapohina hiakatra tsara ny tapotsin'atody ary arotsaka ao amin'ny fangaro
-haroina amin'ny spatule
-arotsaka anaty lasitra efa nosorana menaka
- atao anaty lafaoro mandritra ny ny 50 na 60 mn
-rehefa vita dia apetraka kelikely hangatsiaka
- asiana sucre glace izay tiana.

Vita! Mazotoa homana ary ô
 

Nahandron'i Sylvia Radifera

 

Catégorie: 
Matériels: