Henomby sy anamamy ary angivy

777

Henomby sy anamamy ary angivy
 

Zavatra ilaina :

henomby matavy

anamamy

angivy

sakamalaho

tongolo lay

tongolo be

voatabia

sira

menaka

 

Fikarakarana azy

- Sasana tsara ny hena dia tetehina ary arotsaka ao anaty vilany, avela no mendimendy hivoka ny menaka amin'ny taviny 

- tetehina madinika ny tongolo be sy lay ary ny sakamalaho dia arotsaka , manaraka ny voatabia voatetika ary avy dia asiana sira,
- rehefa mendy ny hena dia arotsaka ny angivy, asiana rano mba ho masaka miaraka amin'ny hena 

- sasana tsara ny anana dia arotsaka tsy mila atao masaka be ary atao ketsaketsa ny laoka

- rehefa hita fa masaka dia aroso miaraka amin'ny vary sy sakay raha tiana 

 

Matsiro be

Mazotoa o

 

Nahandron'i Faly Mansoor

Catégorie: