Kibon-kisoa mikarepoka

475

Henakisoa anaty lafaoro 

Zavatra Ilaina: 
- Henakisoa- eo am kibony misy taviny iny. 2 kg na latsaka. 
- Ravina veromanitra vitsivitsy misy tahony.
-Tongolo maintso
- Dipoavatra voatoto, sira, tongolo gasy voatoto, siramamy kely na saosy soja. 
- Voasarimakirana ( tsy voatery) 
- Tady hamatorana ny kibo-kisoa hitazona ny fehi-manitra.

Fikarakarana azy :

Afanaina eo amin'ny 350 F eo ny lafaoro. Fotoana fandrahoana. Dingana voalohany adiny 2 sy sasany mahery ary ny dingana faharoa 20 minitra. 
Ny fandrahoana afaka mitaty menaka eo ambany makarakara vy no ilaina ary misy rano tsy mikasika ny fanambany tsy vatan'ilay henakisoa satria mitera-menaka ny henakisoa.
Fomba hanaovana azy: - Velarina tsara ny kibon-kisoa efa voatapaka mifanaraka amin'ity nahandro ity. 
Fafana tsara ho maina ny hodiny ety ivelany. 
Ny ao anatiny kosa dia hosorana ireo zavamanitra rehetra ireo ka haparitaka tsara mba hahazo ny lafiny rehetra ao anatiny. Asiana ireo veromanitra sy tongolo ravina/ maitso. Dia ahodina ka fehezina toy io amin'ny sary io. Avela hilona ao anaty Frigo mandritra ny ray tapakandro na ivelan'ny frigo eo amin'ny adiny 8 eo.
Rehefa avy nilona dia alefa ao anaty lafaoro mafana 350 F. Andrahoina eo amin'ny adiny 2 sy sasany mahery ka hatramn adiny 3. Rehefa mipitipitika tsara sy mendy tsara ka hita fa ho masaka . Avoaka dia hosorana saosy soja sy asiana epice isankarazany izay tiana eo am hodiny ivelany ilay mendy be, averina ao anaty lafaoro, dia ampikarina 375 F ny hafanana mba hanendy ny hodin'ny kisoa ety ivelany mba hikarepoka. Masaka rehefa izay.
Avoaka eo ivelany dia mba hitsitsika. sokafana ny fehy sy afaka tapatapahina madinika rehefa afaka 20 mn eo. Aroso mafana na mangatsiaka. Asiana tongolo maitso voatapataka na zavatra mba hanome seho tsara azy rehefa haroso miaraka am sakafo hafa. 
Tsara ho an'ny maro anaka sy tsy tia henakisoa matavy be feno menaka. Tsara ho an;ny fety satria hanina atsinjarany na tsaky toy ny karato koa ilay izy. 

Mazotoa homana o.
ps : Fahrenheit 350 = Celsius 175
Fahrenheit 375 = Celsius 190

Nahandron'i Cotton Wood

 

Catégorie: