Ovy sy olatra maina

631

OVY SY OLATRA MAINA -

ZAVATRA ILAINA :

Ovy
olatra maina (champignon noir)
kotomila
tongolo gasy, tongolo, 
sakamalaho kely, voatabia kely
sira, dipoavatra
jumbo (raha mahazaka)

FIKARAKARANA :

-Tetehina efamira madinika ny ovy, dia somary endasina kely, tsy atao masaka be fa vao mahazo loko dia ajanona. 
- Endasina koa ny tongolo, voatabia kely fotsiny, olatra maina, tongolo gasy sy sakamalaho voakiky; rehefa masaka ny ovy rehetra dia afangaro daholo.

Mba miova kely amin'ny mahazatra ny fahandro azy mba hampazoto homana na tsy misy hena aza.
Mazotoa.

 Nahandron'i Sy Rakotonirina
 

Catégorie: