Poivron farci 1

Portrait de Angie
602

Poivron farci indray no aroso 
azo atao amin'ny vilany tsotra na lafaoro izy ity

SAKAIBE VOASESIKA - Poivron farci

ZAVATRA ILAINA:

poivron, 
Toto-kena manta : hen’omby na henakisoa na mixte mety avokoa azo asiana saosisy koa.
mofo na atimofo kely na pain de mie 
atody 1 
sira 
ronono ½ verre 
menaka 
dibera 
kotomila na persil na tongolo maintso izay tiana
dipoavatra raha tiana
noce moscata raha tiana
fromage rapé 
ary koa parmesan 
azo atao karazana fromazy maromaro manome tsiro indrindra raha misy zaza
Chapelure

FIKARAKARANA AZY:

- alona anaty ronono ny mofo dia tsihina tsara avy eo 
- maka bol iray dia atao ao ny totonkena, mofo, ny atody, ny fromage rapé, ny sira ny zavamaintso tiana voatetika majinika dia afangaro tsara amin’ny tanana rehefa hita fa mitambatra fa maina loatra dia ampiana ilay ronono nandomana mofo teo fa atao kely. avela hipetraka kely 15min eo 
- Sasana tsara ny poivron, esorina ny voniny tao anatiny. Ny ahy lehibe ny poivron ka nozaraiko 3, ny sarony kelikely dia ny vatany mizara roa mitovy. izany hoe tsy misy vodiny ny iray. 
- Asesika ao anaty poivron ilay fangaro
- Maka lapoaly tsy miraikitra dia asiana menaka kely dia araraka ao ny chapelure ho doré rehefa vita dia vonoina ny afo 
- maka lasitra asiana menaka ao ambany raha mbola misy fromage rapé dia rarahana kely ihany koa dia alahatra ny poivron 
- ary eo amboniny rarahana ilay chapelure natao doré tsara dia asiana dibera notetehana carré 1avy farany raha mbola misy fromage rapé dia atao eo amboniny.

FAHANDRO AZY:

Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180℃ mandritra 40-50 minitra eo araka ny habeany moa, rehefa vita dia saromana tsara dia lay entona no mampahalemy ny sakaibe (manamora ny fanalana ny hodiny ho an'izay tsy tia)

NB: azo atao amin'ny vilany koa moa izy ity : alahatra ao anaty vilany dia asiana rano kely na bouillon izay tiana dia andrahoina amin'ny afo malefaka tsara fotsiny

Mazotoa o

 

Catégorie: