Ron-trondro sy anana

729

LAOKA RONY : RON-TRONDRO SY ANANA - 

Raha te hanao ron-trondro maina ianao ka tsy ao Madagasikara dia soloy hareng fumé ka ireto no atao

ZAVATRA ILAINA :

Hareng fumé
Romazava amin'ny boaty "codal" raha toa ka tsy mahita anana
Ovy 1
tongolo 1 
voatabia 1 
sakamalaho.
bio daholo ireo legioma ireo ( fa raha tsy misy moa tsy maninona)

FIKARAKARANA AZY :

- Voasana dia tetehana ary endasina ny tongolo sy ny voatabia ary ny sakamalaho
- arotsaka ny "hareng fumé", tsy asina sira satria matetika efa masira ny "fumé" 
- asiana rano dia andrahoina 30 minitra eo
- arotsaka ny romazava ary tanehana 15 minitra dia vita

Mazotoa o !

Am - pitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi

 

Catégorie: