Salady mananasy

659

FANOKAFAM-BAVONY : SALADE ANANAS AU BASILIC 

Zavatra ilaina:

Mananasy 1 kely
Concombre 3 kely
Voatabia 1 
poivron 2 kely
Basilic
tongolo gasy
sakamalaho 
tongolo be 
voasary makirana
menaka oliva
sira

Fikarakarana:

Tetehina ho efamira kely: mananasy, concombre, poivron, voatabia. 
Tetehina madinika ny basilic, tongolo be
kikisana ny sakamalaho, tongolo gasy.
Afangaro daholo avy eo, asiana ranona 1/2 voasary makirana sy menaka olive ary sira
Aroso amin’izay,

mazotoa homana daholo e

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

Catégorie: