Salady ovy sy haricot vert

705

Salade de pomme de terre et haricot vert

 

Zavatra ilaina:

- ovy 4 lehibebe

- haricot vert 250g

- tongolobe mena 1

- sira,

- dipoavatra

- ranomboasary makirana na "vinaigre de cidre"

- menaka oliva

 

Fikarakarana azy:

- Andrahoina aman-kodiny ny ovy ary asiana sira kely mba tsy hiparasaka. Rehefa mangotraka ny rano dia tokony 20 minitra eo dia vita ka tsatohana antsy rehefa miditra tsaratsymisy mitohatohana dia vita.

Mampangotraka rano misy sira dia arotsaka ny haricot vert. Rehefa miverina mangotraka ny rano dia 7 na 8 minitra eo dia masaka ary tatavanina, tsy atao boledaka mantsy.

- Tetehana fisaka ny tongolobe dia alona sira sy ranomboasary makirana sy menaka oliva ary asiana dipoavatra.

- Rehefa mangatsiaka ny legioma dia afangaro daholo.

 

NB: azo asiana : atody masaka , thon na sardine, na fromazy , "noix", voaloboka maina sns

 

Mazotoa daholo.

Catégorie: