Saosisy sy laisoa

613

LAOKA RITRA : " SAOSISY SY LAISOA "

Zavatra ilaina :
Laisoa
Saosisy
Tongolo 
Sakamalaho
Vilany (2)

Fikarakarana :

- sasana mivaingana ny laisoa, zaraina 4 , tetehana vaventy
- Asiana rano ny vilany dia atao eo ambony afo mahery, arotsaka ny saosisy avela hangotraka (tsy tsindronina tahaka ny fanaontsika azy) avadibadika, tsy andrahoina ela loatra
- tantavanina ny ranon - tsaosisy(tsy ariana ) atao ao anaty vilany 1,
- averina eo ambony afo dia endasina tsy asiana menaka!!esorina atao anaty lovia, saromana avela hangatsiaka

- Alaina lay vilany misy lay rano nandrahoana ny saosisy, asiana sira kely (tsy voatery io an)
arotsaka ny laisoa (tsy masahana ela loatra), esorina, atao ao anaty sopiera ny laisoa (tsy ariana ilay rano)
-Tetehana ny tongolo sy ny sakamalaho, alaina ilay vilany nanendasana ny saosisy, arotsaka ny tongolo sy ny sakamalaho, atao eo ambony ny laisoa(eo ambony afo io an)
- tetehana ny saosisy, atao eo ambony laisoa koa, alefa ao ny rano nandrahoana ny laisoa,atao afo malefaka, andrasana kely dia aroina matetika.

Mazotoa o 

Nahandron'i Lila Rajohnson

 

Catégorie: