Saosy Hajvar

Portrait de Angie
1139

SAUCE HAJVAR  
Azo hohanina miaraka amin’ny sakafo misy hena izy  ity na mofo ihany koa

ILAINA:
baranjely 1
sakaibe (poivrons) 2
tongolo gasy 1
sakay 1 tsongo (piment d'Espelette)
menaka oliva 2 sotro
sira ary dipoavatra

FIKARAKARANA AZY  
 
1/ hafanaina ny lafaoro 200°C
2/ nozaraina roa manaraka ny halavany ny baranjely ary didiana amin’ny lohan’antsy ny nofon’ny aubergine
3/ Apetraka anaty lasitra mandeha lafaoro ka ny hodiny no ambany , ampiarahana aminy koa ny sakaibe dia ampidirina lafaoro 20 - 25 minitra eo
4/rehefa vita izay dia atao anaty “sac de congélation”,avela mangatsiatsiaka dia esorina ny hodiny  
5/ Ny nofon’ny baranjely kosa dia raisina amin’ny sotrokely
6/ voasana ny tongolo gasy (dia zaraina roa ary esorina ilay ao anatiny toa ravina kely eo afovoany)
7/ Totohina miaraka ny baranjely , sakaibe, tongolo gasy, sakay 1 tsongo,menaka oliva 2 sotro
8/ Asiana sira sy dipoavatra araka izay tiana azo aroso amin’ny sandwhich na koa izay plat misy hena

Mazotoa o

– Nahandro sy sarin’i Lova - Graine de faim kely
 

Ingrédients: 
Catégorie: