Steak pané

660

LAOKA na SAKAFO MAHALEO TENA : STEAK PANE sy SALADE 

ZAVATRA ILAINA:

nofo-kena fahefany ;
"chapelure" (Rehefa tsisy dia soloina mofo natono dia totoina)
atody 1 
salady
tongolo
voatabia
dipoavatra
menaka
vinaingitra
siramamy 
sira

Fikarakarana azy :

Tetehina manify ny hena dia kapokapohina mba halemy tsara dia avy eo asiana sira ;
Afanaina ny menaka .
Ampandalovina ao anaty atody voakapoka misyy sira ny hena dia avy eo atao ao anaty "chapelure" ary endasina.
Ny salade indray dia asiana "sauce vinaigrette" sy voatabia ary tongolo be rehefa avy nosasana tsara.
"Vinaigrette :menaka, vinaingitra, siramamy sy sira ary dipoavatra.
Mazotoa daholo.

nahandron'i Celeste Refanarisoa

Catégorie: