Vary endasina

527

Atody sy vary endasina na "omelette de riz" na "frittata di riso"

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

Zavatra ilaina:

vary masaka,
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky 
sira,
dipoavatra raha tiana
voatabia saosy marihitra  

Fikarakarana azy:

Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny vary efa masaka sy fromazy ary voatabia saosy kely hanome loko , afangaro tsara dia endasina.
Mila atao maina tsara vao avadika. 
Lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona
Nb: azo atao "frittata de legumes" , na korzety , na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Catégorie: