Voatavo sy voanjo

649

LAOKA TSY MISY HENA : VOATAVO SY VOANJO

Zavatra ilaina :

Voatavo 1kg
voanjo manta 1/4 kapoaka
tongolo gasy vodiny 1
menaka 1/8 L
sira sahaza
zava-maitso (raha tiana)

Fikarakarana azy :

- Totoina ny voanjo manta, alefa ao anaty voatavo manta voatetika, alefa koa ny tongolo gasy, andrahoina miaraka ireo 
- rehefa ho ritra iny dia arotsaka ny menaka, vita

Ny ahy nasiako sakay sy tongolo nendasina ny manodidina teo ambony lovia, afaka ataonao kotomila sy tongolo maitso voatetika koa

Mazotoa o!

 

Nahandron'i Lah Randria

Catégorie: