By Andry Rakotomavo
Fanadiovana lalandrà
FOMBA TSOTSOTRA FANADIOVANA NY LALANDRA
ity misy torohevitra kely hisorohana sy mba hanadiovana io lalandrà io raha sanatria ka misy fahasahiranana ny fikorianan'ny rà any anaty any:
Akora ilaina :
1- Tongolo gasy hasiny 8
2- Voasarimakirana 8 isa
3- Sakamalao mitovitovy habe amin’ny ankihibe
4- Rano 4 litatra
Fikarakarana azy :
- Voasana ny voasarimakirana, tetehina madinika
- Voasana ny tongolo gasy
- Voasana ny sakamalao
- Miara arotsaka ao anaty “bol mixeur“ ireo ary ahodina ao hifangaro tsara
- Afangaro amin’ny rano 4 litatra anaty “casserole” io, vao mangotra-tokana dia esorina ary andrasana hangatsiaka.
- Tantavanina ary atao anaty tavoahangy ny vokatra azo avy eo.
Fomba fampiasàna azy:
- Atao toy ny rano fisotro mahazatra fotsiny , ka kendrena ho adiny 1 na 2 mialoha ny sakafo, na rehefa tsy dia misy sakafo loatra ao anaty vavony . Tehirizina anaty vata fampangatsiahana ny ambiny ho amin’ny ampitso indray mandrapaha lany azy.
- Mila arahina fampiasam-batana tsotsotra toy ny dia an-tongotra no manafaingana sy mampahomby ny fanadiovana ny lalandrà.
Mirary fahasalamana ho anao!
de Sammy Rama 25.09.2015