By Andry Rakotomavo
Ranona persily
Submitted by Andry Mamina on Fri, 08/05/2016 - 15:05
RANONA PERSILY
Tsara! Mahasalama!
ZAVATRA ILAINA:
- Persily 1 fehezana (izay voafehin'ny tanana fa tsy ilay fatorana kely ireny)
- rano 300-400ml,
- voasary makirana,
- siramamy mena
FIKARAKARANA AZY:
Totoina ny persily efa voasasa madio tsara (Mixer-na no haingana sady tsy misy very), miaraka amin'ny rano 300-400ml, voasary makirana ary siramamy mena.
Sotroina isan'andro ahazoana calcium tonga dia raisin'ny vatana. Tsy mahabe vato.
Natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba
Type: